Fahababoana tany Asiria

Fanaovan'i Asiria sesitany ny Fanjakan'i Israely avaratra

Ny fahababoana tany Asiria na sesitany tany Asiria na fahababoana asiriana dia fotoana teo amin' ny tantaran' i Israely taloha sy i Jodà izay nanaovan' ny Asiriana sesitany olona israelita anarivony avy tao amin' ny Fanjakan' i Israely avaratra (Samaria). Anisan' ireo famindràm-ponenana maro izay nataon' ny Empira Asiriana Vaovao izany. Ny Fanjakan' i Israely avaratra dia babon' ilay mpanjakan' i Asiria atao hoe Teglatfalasara III (na Tiglato-pilesera) sy i Salmanazara V (Salmanesera). Ny mpanjaka asiriana faramparany, dia i Sargôna II sy ny zanany mpandimby azy Senakeriba, dia tompon' andraikitry ny fiafaran' ny roapolo taona naharava ny Fanjakan' i Israely any avaratra nonenan' ny foko folon' i Israely, na dia tsy afaka nandrava ny Fanjakan' i Jodà any atsimo aza izy ireo. Natao fahirano i Jerosalema nefa tsy azon' ny mpanao fahirano. Ireo foko nataon' i Asiria sesitany no atao hoe "Foko folo very" taty aoriana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search